♦ Mila manova fanaovana politika ny fitondrana, mba tsy hifatratra any amin'ny filoham-pirenena amin'ny taona 2023 ny tsy fahombiazam-pitantanan'ny governemanta, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface. Tokony hosoloina ny Praiministra, raha ny hevitr'ity mpanao politika ity... ♦ Nankatoavin'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana ny famatsiam-bola 20.000.000 Dôlara mahary ho an'i Madagasikara. Famatsiam-bola hampitomboana ny famokarana vary sy voamaina ary varim-bazaha hiatrehana ny fiantraikan'ny ady any Ukraine aty amintsika... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany ny fitrandrahana volamena any amin'ny kaominina Marikoro-Maevantanàna. Nogiazana ireo fitaovana, nitsoaka ireo teratany vahiny...
♦ Nomena toromarika hampidina ny saran-dalana ho 600 Ariary ireo taxi-be miasa ao an-drenivohitra. Hihatra ny sazy ho an'ireo izay tsy manaraka izany, aorian'ny amin'ny Alakamisy izao... ♦ Hikarakara fihaonam-be ho an'ny fanavotam-pirenena amin'ny faran'ny herinandro izao ny Rodoben'ny Mpanohitra. Fihaonam-be iantsoan'ireo ny antoko politika, sendikà, fikambanana samihafa ary ireo mpikamban'ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Olona iray no tratra nanoro sy nanome valina laza adina ho an'ny mpiadina ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea omaly. Nisy koa ireo nahatratrarana taratasy fiantsoana hosoko, ka natolotra ny mpitandro ny filaminana...
♦ Hitsapa hery eny amin'ny Magro Behoririka indray ny RMDM sy ireo mitovy fomba fijery aminy amin'ny sabotsy izao, ao anatin'ilay hetsika fihaonam-be ho fanavotam-pirenena... ♦ Olona iray androany, no natolotra ny mpitandro ny filaminana rehefa tra-tehaka ho nanoro sy nanome ny valin'ny laza adina bakalorea ho an'ny mpiadina iray... ♦ Hihatra ny sazy ho an'ireo Taxibe nampiakatra saran-dalana ho 800 Ariary. Nomena hatramin'ny alakamisy izao izy ireo mba hampidinana ho 600 Ariary ny saran-dalana...
♦ Nanova ny fomba fijeriny momba ny asa fitrandrahana fasi-mainty ataon'ny Orinasa Base-Toliara ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny ankamaroan'ireo olona nanohitra ny asa fitrandrahana, roa taona sy tapany taorian'ny fampihatoana ny sehatr'asan'izany orinasa izany tao Toliara... ♦ Nahaliana ireo tantsaha sy izay misehatra manokana amin'ny sehatry ny fiompiana ny andro natokan'ny Malagasy Professionnel d'Elevage na ny MPE nivoizana ny lafiny teknika momba ny fiompiana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Fifindramonina anatiny : Tsy nisy afa-tsy ny famahana ny olana eny ifotony amin'ny faritra hisian'ny fifindra-monina ihany no vahaolana, tsy hisian'izany eto amintsika hoy ny antoko Otrikafo...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco