♦ Mbola tsy mitovy ny tandin-dokanga eo amin'ny CENI sy ireo antoko pôlitika, manoloana ilay logiciel Sigle, iray andro mialoha ny fanombohan'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niafara tamin'ny fifanarahana ny dinika teo amin'ny fitondrana malagasy sy ny Vondrona Eorôpeana manoloana ny jona lamatra. Niabo 40% ny vola haloan'ny Vondrona Eorôpeana eo amin'io sehatra io raha oharina amin'ny fifanaranahana teo aloha... ♦ Manamafy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy maintsy hiaran'ny sazy ireo mpitandro ny filaminana voaporofo fa mandika ny lalana sy ny sata mifehy azy ireo...

♦ Nampanantena hanolotra angidimby hiaka farany ho an'ny Tafika Malagasy, ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fanamarihana ny fetin'i Masina Misely, mpiaro ny mpilatsaka an'elonaina... ♦ Niharan'ny fanafihan-dahalo indroa miantaona ny tany Bekopaka. Mamerina hatrany ny antso avo ho fanampiana sy fampitaovana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana ny Ben'ny tanana teo aloha any Bekopaka... ♦ Foana ny fampiharana ilay famerana ny vidin'entana farany ambony nataon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana...

♦ Niteraka fahatapahan-dalana maharitra teny Ampasika androany, ny fakan'ny Polisy Monisipaly ireo sarety efatra mpitondra ranon-tany. Niteraka ny fahatezeran'ireo olona nandalo manodidina izany, ka notapahan'izy ireo ny fifamoivoizana...♦ Hahazo angidimby hiaka farany avy amin'ny fitondram-panjakana ny Tafika Malagasy, ho fampitaovana azy ireo... ♦ Hangonina manomboka izao ireo fitaovaka elektrônika, toy ny finday tsy miasa intsony, ho fiarovana ny tontolo iainana. Handray izany eny amin'ireo masoivohony manerana ny nosy, ny orinasa Telma...

♦ Hotanterahana eto an-drenivohitra ny 7 ôktobra izao ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny asa tanana eto Madagasikara. Hamaritana ny paik'ady vaovao hampiroboroboana ny famoronana asa amin'ny alalan'ny sehatry ny asa tanana ny tsoa-kevitra hivoaka amin'izany... ♦ Homarihana ny 08 oktobra izao ny ivon'ny fankalazana ny faha 30 taonan'ny FAFIALA. Hotokanana amin'io andro io ny tsangambaton'ny faha-30 taona, dia fotodrafitr'asa tranon-dandy... ♦ Hampiditra mpiasa antselika hanampy ireo mpiasa ao aminy ny tranom-pirintim-pirenena noho ny fahavitsian'ny mpiasa kanefa ny asa atao mitombo hatrany hoy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...