♦ Nampikaikaika ny mpanjifan'ny Jirama indray ny fahatapahan-jiro lavareny amin'ny toerana maro. Nisy ireo nanao hetsika nanoherana izany tamin'ny alina... ♦ Efa maherin'ny 70 ankehitriny ireo firenena nahitàna ilay valanaretina nendran-drajako na variole du singe. Arahanao ato anat'ity vaovao ity ny fanadihadiana momba io valanaretina io... ♦ Ambony noho ny fitakian'ny mpisehatra politika ankehitriny ny fanavotam-pirenena amin'ny alalan'ny fitoniana sy ny fihavanam-pirenena, hoy ny Roso ho an'ny Demôkrasia Sosialy na ny RDS... ♦ Nilatsaka tany amin'ny fari-dranomasina avaratra atsinanan'ny nosy Borneo aty amin'ny ranomasimbe indiana ny potik'ilay sambondanitra sinoa ny faran'ny herinandro teo...

♦ Haparitaka isan-diôsezy ireo fehin-kevitra nivoitra tamin'ny fakan-kevitra sinaodin'ny Eveka 2023. Nofaranana omaly teny amin'ny ESCA Antanimena ny fakan-kevitra sinaodin'ny Eveka 2023, sehatra nasiônaly... ♦ Vehivavy miisa 5 no maty an-dranomasina omaly tany Manakara. Efa miisa 3 ireo voasambotra tamin'ilay vonon'olona 32 nitranga tany Ambohitriniandriana-Ankazobe... ♦ Vinavinaina ho tanterahana amin'ny volana septambra izao ny fikaonan-doham-pirenena. Tinapak'ireo mpizaika tamin'ilay dinik'asa iombonana ho fanomanana ny fikaonan-doham-pirenena, natao ny faran'ny herinandro teo io...

♦ Entanina tsy hanararaotra amin'ny fampiakarana mihoampampana ny vidin'ny entana ilaina andavanandro ny mpivarotra sy ny mpandraharaha, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika, izay tsy azo nialana hoy ny teo anivon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Manan-karena volamena i Madagasikara ho ny Synpromine-Mad na "syndicat professinnel des mines de Madagascar, ka tokony fehezina tsara io sahatry ny volamena io mba hampivoarana ny tanindrazana... ♦ Mitaraina amin'ny alafon'ny ankora fototra sy ny tsy fisian'izany ny mpanao asa-tanana malagasy, lasan'ny sinoa eny ifotony ambongadiny izany tao anatin'ny taona vitsy izay ho izy ireo...

♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hisian'ny fifampiresahann'ny ankolafin-kery eto amin'ny firenena ny antoko Otrikafa. Tsy ekena hoy izy ireo ny fikatsahana fiaraha-miasa aorian'izany dinika izany... ♦ Tompon'antoka amin'ny fidangan'ny vidin'ny entana ilaina andavan'andro eto amintsika ny ministeran'ny varotra hoy ny filohan'ny Fikambanan'ny Tanora avara-pianarana na ny FITAMA... ♦ Mampiodina tetik'asa mivohy mankany amin'ny fandriampahalemana ny Antilin'i Madagasikara any amin'ny diosezy Ambositra... ♦ Hifampiresaka amin'ny lehiben'ny diplômasia rosiana ny lehiben'ny diplômasia amerikana. Tsy mbola voafaritra ny fotoana hanaovana izany...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...