♦ Nanome toromarika ny ekipany hanampy an'i Madagasikara ahafahana misitraka ilay famatsiam-bola avy amin'ny Tahiry Maintso ho an'ny Toetr'andro ny Sekretera jeneralin'ny firenena mikambana raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena malagasy tany NewYork izy... ♦ Hiditra amin'ny raharaha politika indray ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara hanomboka anio. Amin'ny alalan'ny "varavarana misokatra" no hanehoan'ny antoko izany anio... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena hitondrana fanitsiana ilay lalàna mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...