♦ Asa no atao fa tsy fampanantenana, hoy ny Filoham-pirenena androany, raha nampahafantatra ny voarakitry ny Planina Enti-mampandroso an'i Madagasikara na ny PEM, tetsy amin'ny CCI Ivato. Tetikasa maro no nambarany fa hatomboka amin'ity taona ity sy amin'ny 2023... ♦ Tsy ao anatin'ny atonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakana fanaovana karapanondrom-pirenena, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy misy mpividy ny lavanila na efa nisokatra ny 7 ôktôbra aza ny taom-piotazana, hoy ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, androany...

♦ Tao aorian'ny resabe momba ny "doublons", ifanilihan'ny CENI sy ny Ministeran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana indray, ny antontan'isa 3 tapitrisa voalaza fa vinavinaina hampidirina ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Antontataratasy fangatahana asa manodidina ny 300 isa, miaraka amin'ny taratasy tsiambaratelo maromaro, no narian'ny Colas tao amin'ny dabam-pako tao Ampotatra. Lasibatra amini'zany ireo mpitady asa amin'ny fanamboarana ny Lalam-pirenena faha-13... ♦ Raha tsy misy ny fiovana dia handalo fankatoavana eny amin'ny Antenimieram-pirenena anio, ny volavolan-dalana momba ny fanabeazana...

♦ Nihaona tamin'ny Papa François, ireo Evekan'i Madagasikara. Fihaonana izay ivon'ny Visite Ad Limina ataon'izy ireo any Rôma... ♦ Hanomboka anio etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonambem-pirenena momba ny fampiasam-bola ho fanandratana an'i Madagasikara... ♦ Very fanahy mbola velona noho ny tsy fandriam-pahalemana sy ny halatra omby ireo mponina any Menabe...

♦ Nihaona tamin'ny Papa François androany, ireo Evekan'i Madagasikara, izay manatanteraka ny Visite Ad Limina any Rôma. Nandray ireo Malagasy monina sy mianatra any an-toerana ihany koa ny Papa, avy eo... ♦ Mbola misy faritra maro no tsy naharay ny karne fanisana mpifidy, iray volana tao aorian'ny nanombohan'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ May ny ampahany amin'ny Tsenan'Anosibe alina. Trano fivarotana 102 no levon'ny afo tamin'izany. An-tapritrisany maro ny faty antok'ireo mpivarotra nanana entana may tao, raha ny fitarainan'izy ireo, androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...