♦ Tafakatra 39 ny isan'ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny faharatsian'ny toetrandro, raha ny tarehimarika farany voaray omaly hariva... ♦ Afaka manome fanampiana ny tra-boina ary entanina hanao izany ireo mpitantana orinasa na indostria eto Madagasikara. Eny amin'ny MICC no handraisana izany.... ♦ Hizara pack, misy vatsy, eny amin'ireo faritra iva, ny fikambanana fitia, manomboka anio alarobia, ankoatra ny fizarana sakafo mafana andro aman'alina...

♦ Ampy tsara ny tahirin-tsolika eto an-drenivohitra sy ny manodidina, tsy tokony hanana ahiahy noho izany ny mpanjifa... ♦ Hiverina hibaliaka ny masoandro manomboka anio. Ahitana fihenana ny rotsak'orana, saika manerana ny Nosy... ♦ Ankoatry ny fanampiana amin'ny hamehana vokatry ny voina mahazo ireo traboina eny Tanjombato, dia ho ampian'ny fitondram-panjakàna koa izy ireo amin'ny fambolena sy ny fihariany izay potika tanteraka...

♦ Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hanampy ireo tra-boina rehetra ny fitondram-panjakana. Nijery ny zava-misy teny amin'ny Distrik'Antananarivo Atsimondrano izy androany... ♦ Ampy mandritra ny tapa-bolana mahery ny tahirin-tsolika etyo an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Nanazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Tale Jeneralin'ny OMH... ♦ Nodimandry androany i Maître Willy Razafinjatovo na i Maître Olala...

♦ Hihamaina amin'izay ny andro manomboka rahampitso amin'ireo toerana nisian'ny oram-be, raha ny nambaran'ny Météo. Hihena tsikelikely ihany koa ny rotsak'orana na dia mbola hanorana àry ny faritra maro anio... ♦ Niala tsiny tamin'ireo mpandraharaha tsy miankina ny Foibe Fitantanana ny Hetra, manoloana ilay taratasy milaza ny fanitsiana ara-ketra nivoaka. Diso, hoy ny Tale Jeneraly, ny filazana fa hamenoana ny banga amin'ny volam-panjakana ilay filazana fanitsiana ara-ketra ankehitriny...

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...