♦ Tsy mbola niova amin'ny fanapahakeviny ny antoko HVM amin'ny fangatahana ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy... ♦ Tsy misitraka ny tamberim-bidy amin'ny asa fitrandrahana ataon'ny Madagascar-Oil ny Kaominina ambanivohitra Akondromena, hoy ny Ben'ny Tanàna any an-toerana... ♦ Fanamby hotratrarin'i Madagasikara amin'ny taona 2024 ny hamokatra vary akotry 6 tapitrisa taonina... ♦ Olona telo maty ary nisy ireo naratra vokatry ny tifitra nataon'ny lehilahy iray tao Paris...

♦ Mitaky ezaka sy fahitsiana, ary fikelezan'aina, ny asa eo anivon'ny fiadidiana ny repôblika, mba ho fitaratra sy môdely ho an'ny sehatra hafa rehetra hoy ny Filoha Andry Rajoelina androany tamin'ireo mpiara-miasa aminy eo anivon'ny Fiadidiana ny repôblika... ♦ Hiroso amin'ny fandoavana ny onitra amin'ireo olona manana tany eny amin'ny toerana hanaovana ny tetik'asa Tanamasoandro ny fitondram-panjakàna... ♦ Efa mitrandraka mitatitra ary mivarotra ny vokatra trandrahiny ny orinasa Madagascar-Oil saingy tsy misitraka ny tamberim-bidy avy amin'izany ny Kaominina Akondromena hoy ny Ben'ny Tanàna... 

♦ Tsy marina ny vaovao niparitaka fa miandany amin'ny antoko pôlitika iray, ny Filohan'ny CENI, hoy ny Talen'ny Kabinetrany... ♦ Miisa enina isan-kerinandro ireo olona voatily ho marary voa eto Madagasikara. Marary 200 amin'ireo 10.000 tokony hanao dialyse no afaka manao izany... ♦ Mijanona eo amin'ny laharana faha-102 maneran-tany ny Ekipam-pirenena malagasy Barea, araka ny filaharana navoakan'ny FIFA...

♦ Tsy hanaiky sy tsy handefitra amin'ny asa fanakorontanana eto amin'ny firenena, ary handray andraikitra manandrify amin'izany ny Foloalindahy Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Nankatoavin'ny Governemanta malagasy ny fangatahan'ny CENI amin'ny hanalavana ny fe-potoana hanavaozna tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niroso tamin'ny fametrahana ireo saina mena mamaritra ny maha faritra tandindonin-doza ny eny amin'ny vohitr'i Manjakamiadana androany, ny BNGRC. Miisa 1540 ireo trano tafiditra amin'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...