♦ Tafakatra 04 ny isan'ny olona namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Freddy... ♦ Milamina ny fifandraisana eo amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Christine Razanamahasoa sy ny mpanolon-tsainan'ny Filohan'ny repoblika, Andriamatoa Kaleta fa tsy fifankahazoan-kevitra no nisy teo aloha... ♦ Anatin'ny fanamarihana ny andron'ny vehivavy 8 marsa, maro ny fampirantiana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy, sy ny manodidina ny sehatra hiharian'izy ireo ; isan'izany ny Hetsika VEHIV'Art eny amin'ny zaridaina Andohalo, izay notsidihin'ny vadin'ny filohan'ny repoblika androany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...