♦ Tany amin'ny 157 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivo-doza Freddy tamin'ny 03 ora maraina teo. Mbola ahiana ny rotsak'orana aterany any amin'ny Faritra atsimo andrenan'ny nosy... ♦ Tafakatra 04 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Freddy any atsimo andrefana sy Menabe. Nirodana ny rindrinny Fonjan'i Toliara, saingy efa nisy ny fepetra noraisina, hoy ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Nilamina ny fifandraisana eo amin-dramatoa Christine Razanamahasoa sy i Kaleta. Niala tsiny amin'ny olona voatohintohina tamin'ny teny nataony ity mpanolon-tsainan'ny filoham-pirenena ity, momba ny kabarin'ny FIZAFAFI tany Fianarantsoa...

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...