• Nijoro ny "SERA" ivondronan'ireo raiamandreny saika hanelanelana ny raharaham-pifidianana tamin'ny 2023. Nahery vaika avy hatrany ny fanenjehan'ireo mpomba ny fitondràna azy ireo...
  • Hadinina any Génève Suisse ny momba ny fanajàna ny zon'olombelona ataon'ny mpitondra eto Madagasikara. Ministra no misolo tena ny fitondràna Malagasy any an-toerana...
  • Miha-mitombo hery, ka ahiana hivadika rivo-doza ato anatin'ny 30 ora ilay faritra andro ratsy ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Miteraka fikorontanan'ny toetry ny andro an-dranomasina izy...
  • NIha-nahery vaika androany maraina ny fifandonana eo amin'ny tafi-panjakàna Congolais sy ny M23 any Goma, RDC. Tsy mahita izay halehany ny mponina manoloana io ady io...

  • Tsy tokony ho fandrebirebena saim-bahoaka fa tena haverina ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina tamin'ireo kaominina sasany, hoy ny KMF/Cnoe. Hitondra ny heviny eto ity Firaisamonim-pirenena ity...
  • Tsy mbola tapaka ny fampidinana saran-dalan'ny Zotra nasiônaly eny amin'ny toby fiantsonana Maki Andohatapenaka. Tsy ny vidin-tsolika ihany no mamaritra ny fampidinana saran-dalana hoy ireo mpitatitra...
  • Tsy hampidina saran-dalana ny vondron'ireo mpitatitra ao Antananarivo renivohitra, na teo aza ny fidinan'ny vidin'ny solika. Hijanona 600Ariary ihany ny saran'ny taxi-be...
  • Mangotraka ny ady any Goma any atsimon'ny Repoblika Demôkratikan'i Congo. Mangataka amin'ny Firenena Mikambana hanasaziana ny firenena Rwandais i RDC...

  • Tany amin'ny 291 km andrefana somary atsimo andrefan'i Morombe no nisy ny foiben'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika, tamin'ny 3 ora tolakandro teo...
  • Mbola tsy nidina ny saran-dalan'ny zotra nasionaly eny amin'ny toby fiantsonanana Makis Andohatapenaka. Mijanona ho 600 Ar kosa ny saran-dalan'ny taxibe, hoy ny UCTU...
  • Tsy tokony ho fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny ihany, fa tena hampiharina ny didy famerenana ny fifidianana amin'ireo kaominina voakasika, hoy ny KMF-CNOE...

  • Tsy hisy ny fiforonana rivo-doza hahakasika mivantana ny nosy amin'ity herinandro ity. Hisy oram-baratra mitsitokotoko anefa amin'ny ilany andrefana sy atsimon'ny nosy mandritra ny herinandro...
  • Tsy mankasitraka ny hivondronan'ny mpanohitra ho iray Andriamatoa Toavina Ralambomahay, mpanao pôlitika mpanolon-tsainan'ny tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
  • Hiatraika mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny tetik'asa Laka Iarivo hoy ny sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Misy tetik'asa maro tafiditra ao fa tsy toeram-pitsangatsanganana fotsiny...
  • Nahazo lalana avy amin'ny fitondrana israelianina hamonjy ny toeram-ponenany ny antsasaky ny mponina any avaratry ny faritr'i Gaza androany maraina, vokatry ny fifanakalozana babo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...