♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon faha-14 ireo Evekan'i Madagasikara mandritra ny Fivahinianana Masina any Vatican... ♦ Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay fahapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga ny sabotsy teo. Olona 13 hafa marary mafy, raha ny tarehimarika ôfisialy navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, omaly hariva... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ireo zandry zanaka amin'ny taona fahadimy anio talata. Mpiadina maherin'ny 570.000 no hiatrika izany manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Vao mainka miha-mafy ny ady eo amin'i Israel sy i Iran. Rava omaly ny tranobe misy ny foiben'ny fahitalavi-panjakàna iraniana IRIB ao Téhéran...
• Nihaona voalohany tamin'ny Papa Léon XIV androany ny Evekan'i Madagasikara... • Olona 9 tamin'ireo 39 notsaboina noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ny trano fandraisam-bahiny iray, no maty teny amin'ny HJRA... • Naneho hevitra ho an'ireo mikasa ny hanakantsakana ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonan'ny SADC, ny Praiminisitra Ntsay Christian androany...
♦ Natao hanampy ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny asany ny fihaonana eo amin'ny loholona sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana... ♦ Mbola azo atao tsara ny manarina ny orinasa JIRAMA raha tena atao laharam-pahamehana hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray nitranga teny Ambohimangakely omaly alahady, anatin'ny fanadihadiana hamaritana ny zava-nitranga nahatonga izany ny tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao...
♦ Nihaona tamin'ireo mpino teratany Malagasy mipetraka any Rome omaly alahady ireo Evekan'i Madagasikara nandritra ny hetsika fivahinianana Masina ataon'izy ireo any an-toerana... ♦ Fepetra isany takian'ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an'ny famatsiam-bolan'ny FEC sy ny FRD 2025 ny volavolan-drija-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakàna vaovao, izay nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana ny faran'ny herinandro teo...♦ Tsy tanteraka ilay hetsika nokasain'ny Gasy MRV, saika natao teny Antanimbarinandriana tamin'ny sabotsy teo, hetsika saika hanehoana hevitra momba ny olan'ny delestazy...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco