♦ Manohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tamin'ny 26 janoary ny foloalindahy Malagasy. Hitohy anio ny fandravonana ny hevitra sy ny toromarika avy amin'ny tafika manerana an'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny fitarihana haingana ny fikaonandoha hamaritana miaraka ny zotra sy fomba fiasa mandritra ny tetezamita (Satan'ny Tetezamita) ho an'ny fanavaozana ny firaisamonim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora maro... ♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny mpitàna fomba sy ny taranak'Andriana Zanak'Ambohidratrimo taorian'ny fifandanminana ary tafajoro ny komity hanarina ny rova...
♦ Tsy nitovy hevitra androany ireo mpitàna fomba sy mpitan-kasina sy ny taranaka mpanjaka nandritra ny fivoriana momba ny famerenan-kasina sy ny fanarenana ny rovan'Ambohidratrimo. Niravona ihany anefa ny disadisa taorian'ny fifandaminana teo amin'izy ireo... ♦ Mitohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny 26 janoary ; nanomboka androany ny fandravonana ny hevitra... ♦ Manao antso maika ho an'ny tetezamita ifanarahana, mangarahara sy mampiaty ary ny fanavaozan-drafitra ny firaisamponim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora...
♦ Nampanantsoina ny masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara. Fampiantsoana noho ny fanasokajian'ny Firenena Malagasy ny mpiasa iray eo anivon'ny Ambasady Frantsay ho "Persona non Grata"... ♦ Natao andrana ny fikarohana nataon'ny Profesora Solofo Johnnis, hamadihana ny solika mavesatra trandrahana any Tsimiroro ho solika voadio, hamahàna ny fahatapahan-jiro lavareny eto Madagasikara... ♦ Vita ny fanitarana ny tranon-tseranana nasiônaly etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Notokanana tamin'ny fomba ôfisialy androany maraina izany foto-drafitr'asa izany...
♦ Nahitàna tavoahangy nisy fofona solika nanakaiky ny fahamaizan'ny Rovan'Ambohidratrimo. Olona maro no efa notànana atao fanadihadiana, raha ny namabaran'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Nisehoana trangana ambalavelona tao amina sekolim-pinoana iray tao Mahajanga omaly. Tovovavy mpianatra 50 isa no tratran'izany, ka nihiakiaka sy nihinjitrinjitra... ♦ Nanameloka ny fisiana miaramila tratra tamina fandrobàna vola ny Ministeran'ny Foloalindahy. Namoaka fampitam-baovao izy ireo fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fihetsika ivelan'ny asa ara-dalàna nataon'ireo miaramila ireo...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco