♦ Loha-laharana amin'ny lentan'ny fanabeazana eto Madagasikara ny mpianatra mivoaka amin'ny sekoly katôlika ka mila tazomina izany, amin'ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 300 tapitrisa Dôlara ny fanatanterahana Tondro-zotra ho an'ny jono sy ny toe-karena manga eto Madagasikara... ♦ Manao antso ho an'ny Fanjakàna hametraka pôlitika fanaraha-maso ny fanajàna ny lalàna voavao mifehy ny asa ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE. Mila hajaina sy hampiharina izay voalazan'ny fehezan-dalàna hoy izy ireo... ♦ Ady any Gaza : Tsy maintsy manaiky ny fifanarahana hampitsahatra ny ady i Israely sy Hamas...

♦ Tanterahina ny alatsinainy 2 mey izao ny fananganan-tsaina ôfisialy ho fanamarihana ny faha-65 taona nahazoana ny fahaleovantena, hanokatra izany eny amin'ny Parvis an'ny Hotel de ville Analakely ny filoha Malagasy... ♦ Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana teto Madagasikara ny Malagasy Professionnels de l'Elevage (MPE), notanterahina omaly ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany... ♦ Raharaha nahafatesan'olona maro tany Ikongo : Ny volana febroary teo no tsikaritra fa niakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka tany an-toerana, handrasana hatrany ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny ministeran'ny fahasalamana...

• Hosokafana amin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy ho avy izao eny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tanana Analakely, amin'ny alalan'ny fananganan-tsaina, hotarihan'ny Filohan'ny Repoblika, ireo hetsika fanamarihana ny faha-65 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovan-tena... • Nampiroborobo ny sehatry ny fiompiana teto Madagasikara ny MPE, tao anatin'ny 30 taona nijoroany... • Manome tantsoroka ny fitsarana ireo manam-pahaizana manokana mivondrona ao amin'ny CAREA, rehefa misy fanazavana ara-teknika na siantifika ilana azy ireo...

• Tsy asa mora ny fanabeazana, kanefa fanambin'ny Sekoly Katolika ny famolavolana olona feno mba hahafahan'ny rehetra misitraka hafaliana... • Misy ireo fepetra tsy maintsy hajain'ireo mpiadina bakalorea manoloana ny fiatrehana ny adina ara-panatanjahan-tena, hoy ny tompon'andraikitra... • Marolafy ireo tsindry mahazo ny karazan-java-manana aina eto Madagasikara. Misy anefa ireo vahaolana mifandraika amin'izany entin'ny Minisitera...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...