♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakàna mamaritra ny datim-pifidianana filoham-pirenena... ♦ Tsy niandry ny fahavitan'ny PNDE na ny drafim-pirenena momba ny Fitsnjaram-pahefana Miabo, ny governemanta fa efa nandeha hatramin'ny ela, ny ezaka samihafa ho fampiharana izany... ♦ Hikatona avokoa ireo birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy anio ka tsy hisy hiasa avokoa na ny vadin-tany na ny Clercs... ♦Nanakatom-baravarana nampitsahatra ny asany ireo mpiasa eo anivon'ny CNaPs manerana ny nosy...
♦ Nitohy androany ny fanakatonam-baravarana fampitsaharana ny asa ataon'ireo mpiasan'ny CNaPS manerana ny nosy. Hetsika hitohy mandram-pivalin'ny fitakian'izy ireo, hoy ny “délégués” sy ny sendikan'ny mpiasa... ♦ Namoaka fanamabrana ny Holafitry ny vadin-tany androany, fa mikatona avokoa ny birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy rahampitso... ♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato mandritra ny roa andro ny Vovonam-pirenena ho fankatoavana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana Miabo, na ny PNDE. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny Filoham-pirenena...
♦ Mila hapetraka ny fitoniana pôlitika vao tokony hirosoana ny fifidianana hoy ny antoko Tamami. Mitaky ny hanovàna ny governemanta, hisokatra amin'ny mpanohitra ity antoko ity, mialohan'ny fifidianana... ♦ Olona miisa 8 no naratra, am-polony nosamborina, vokatry ny hetsika fanoheran'ny andian'olona ny fitrandrahana ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro. Raikitra ny fifandonana teo amin'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana tao Mandena, omaly... ♦ Manahy korontana amin'ny baolina kitra malagasy indray ny K2HB, noho ny toe-javatra misy amin'ny fifidianana filohan'ny seksiôna amin'izao. Tokony hovàna ny rafitra sy ny fomba fifidianana mba hisorohana izany hoy ity kômity ity...
♦ Mampitandrina ireo manaparitaka laza adina amin'ny tambajotran-tserasera ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanome antoka izy ireo fa ho voaaro tsara izany, mandritra izao fanadinam-panjakàna BEPC izao... ♦ Karatany faobe miisa 37.000 no kendrena ho zaraina anatin'ny tetik'asa TAFITA amin'ity taona ity eto amin'ny Faritra Analamanga sy Itasy. Ny 14.000 amin'ireo no efa voazara hatramin'izao... ♦ Ho vita ao anatin'ny roa volana ny foto-drafitr'asa famatsiana rano fisotro madio any amin'ny Kaominina Anivorano-Nord, Distrika Antsiranana faharoa. Nijery ifotony nanara-maso ny asa fanamboarana ny Ministry ny rano...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco