♦ Hirosoana amin'izay ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo, araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny ministra manokana, omaly. Ampahan-dalana miisa 11 no nankatoavina fa amboarina amin'izany... ♦ Tsy tokony ahilika any amin'ny Bianco irery ny ady amin'ny kolikoly fa andraikitry ny olom-pirenena rehetra, hoy ny tale jeneraliny. Miantso ny tanora amin'izany ady atao amin'ny kolikoly izany izy, omaly... ♦ Hampiova ny toe-karena ara-bola eto Madagasikara ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola nolaniana teny amin'ny Antenimiera farany teo hoy ny manampahaizana manokana momba ny lalàna, Raphaël Jacob. Tsy hisy intsony, hoy izy, ny fanomezana tombondahany ny mpampiasa vola sasany...
♦ Nifarana androany ny fankalazana ny andron'ny tambazotran'ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, teto amin'ny Faritra Analamanga. “Tanora tompon'ny ankehitriny, manorina ny ho avy lavitry ny kolikoly”, no lohahevitra. Hetsika natao teny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina... ♦ Mikarakara hetsika eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina, nanomboka androany ary hitohy rahampitso, ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, hanampiana ny tanora hitady asa sy ny fizarana asa...
♦ Maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nisitraka ny fanampiana vokatry ny fiaraha-miasan'ny Firenena Mikambana sy ny Fitondram-panjakana Malagasy, tamin'ny taona 2022... ♦ Fandaharan'asa maro no notanterahana tamin'ny tetikasa Haraton'aina fiahiana ara-tsôsialy, toy ny fandaharan'asa Mijoro, Milofo, ny Asa vonjy voina... tao anatin'ny fito taona nisian'izany... ♦ Ny tantsaha sy ny mpandraharaha tany Vatomandry sy Brickaville indray no nahazo ny milina fanodinam-bokatra, avy amin'ny Fitondram-panjakana...
♦ Nanambara ny fandraisany anjara amin'ny famatsiam-bola amin'ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, ao anatin'ny “Basket Fund” androany, ny Vondrona Eorôpeana, sy ny Masoivohon'i Allemagne, ary ny Masoivohon'i Frantsa... ♦ Manambara ny hanamafy ny hetsika hitakiana ny famoahana an'i Me Kanto, ny Antenimieran'ny vadintany sy ny mpanao lavanty, raha tsy handray andraikitra ny fanjakana... ♦ Tsy marina, fa endrika fanakorontanana, ny fivoizana fa hampakatra saran-dàlana ny UCTU, hoy ny Filohany...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco