♦ Nitombo efatra indray ireo mpisorona ao amin'ny Diôsezin'i Morondava satria nisy fanamasinana ho pretra notontosaina tany an-toerana omaly... ♦ "Eglizy miara-dia, miombona", io no teny nifanentanana nandritra ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy, izay notanterahana tany an-toerana, nanomboka ny alarobia teo hatramin'ny omaly alahady... ♦ Nanatanteraka ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany voalohany, nanomboka ny 13 jolay hatramin'ny omaly alahady 17 jolay, ny tao amin'ny Faritra Androna, Diôsezin'i Port-Bergé...
♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...
♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...
♦ Niantso ny isam-pianakaviana hifanome tanana amin'ny fampanjariana ny fandriam-pahalemana, ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Hotanterahana ny 9 sy 10 jolay ny fihaonam-ben'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny zokiolona ny Papa François, mandritra ny volana jolay...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco