Nambaran'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny firarian-tsoan'ny Noely fa tsy nahasakana ny fahatongavan'i Jesoa tonga eo anivontsika ny fahantran'ireo ray aman-dreniny, ka na eo aza ny fahoriana sy ny fahantrana iainantsika ankehitriny dia tonga miara-dia amintsika i Jesoa amin'izao Noely izao. Enga anie ho tany fialofana ho an'ny vahoaka malagasy rahatrizay ny tany izay injadian'ny mosary ankehitriny.

♦ Tontosa androany teny amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny Eokaristia Masina hitondrana ny Lakroa JMJ mankany amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ny Papa Fraçois noho ny tsingerin-taona nahaterahany ny 17 desambra teo, ny tao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanainga ny mpino rehetra ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus, mba haka tahaka an'i Masina Maria, hijery : ambony mandrakariva ary hamakivaky ny tontolo andro amin-kafaliana eo am-panampiana ny hafa...

Misy dingana telo lehibe ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka faha-16 : ny fakan-kevitra ny vahoakan'Andriamanitra any amin'ny Eglizy fototra izay entina eo anivon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka, ny fandinihan'ny eveka eo amin'ny kontinanta ary ny fivoriam-ben'ireo eveka solo-tena any Roma. Fanazavana entin'i Ramatoakely Miora Rakotonirainy, Ekipa nasionaly  mpandrindra ny sinaody.

♦ Manentana ny rehetra handray anjara amin'izao sinaody faha-16 izao, ny Papa François... ♦ Volana hanomezana sehatra ny ankizy ny volana desambra, nanome hafatra manokana ho azy ireo ny avy eo anivon'ny VPKA sy ny OPM... ♦ Nandritra ny Audience générale tamin'ny alarobia teo no nanentanan'ny Papa François, ny mpino rehetra, mba hiverina hizaha miaraka amin'i Masindahy Josefa, ny lanjan'ny fahanginana...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...