Mizotra mian-dalana ny fanarenana ny diosezin'i Mananjary taorian'ny fandalovan'ireo rivo-doza nifanesy tamin'ny fiatombohan'ny taona 2022. Laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy ao Mananjary ankehitriny ny famerenana amin'ny laoniny ny foto-drafitrasa sy ny fiatrehana ny pastoraly sosialy, hiatrehana ireo olana ara-tsosialy vokatr'io rivo-doza io.Fiainan'ny Eglizy katolika ao Mananjary miaraka amin'ny Radio Aina.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...