♦ Diakra efatra miarahalahy avy amin'ny Fikambanana Karma no nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, ny 17 jolay 2022... ♦ Hotsofin-drano ny alahady 24 jolay 2022 ny tsangambaton'ny taom-bolamenan'ny CEPAL... ♦ Niantso ny rehetra hihaino ny feon'ny voahary ny Papa François amin'ny Andro eran-tany hivavahana ho fiarovana ny voahary...

♦ Nitombo efatra indray ireo mpisorona ao amin'ny Diôsezin'i Morondava satria nisy fanamasinana ho pretra notontosaina tany an-toerana omaly... ♦ "Eglizy miara-dia, miombona", io no teny nifanentanana nandritra ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy, izay notanterahana tany an-toerana, nanomboka ny alarobia teo hatramin'ny omaly alahady... ♦ Nanatanteraka ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany voalohany, nanomboka ny 13 jolay hatramin'ny omaly alahady 17 jolay, ny tao amin'ny Faritra Androna, Diôsezin'i Port-Bergé...

♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny  ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...

♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...