Ny fanalan-jaza dia raràn'ny lalàna, araka ny voafaritra ao anatin'ny "code penal" art -316-317, eo anatrehan'ny lalàn'ny fiangonana ihany koa dia fahotana mahafaty ity fomba iray ity, dia ny fanalan-jaza iniana hatao. Ny mahatonga ny fahafahan-jaza tampoka dia tsy fahatomombanana eo amin'ny fiforonany (Chromosome), olan'ny tranon-jaza, Misy fivontosana (fibrome), diabeta tsy voalamina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny "appendicite" (aretina) dia tsy mety levonina fa tsaboina na didiana hiala teo amin'ny toerany rehefa re marary. Ny "appendice" dia taova madinika iray ao anatin'ny taovam-pandevonan-kanina, izy io dia mety hirefy 3cm hatramin'ny 60cm. Ny asan'io "appendice" io dia mitahiry ireo bakteria tsara sy ilain'ny tsinay. Ny toerana misy azy dia eo anelanelan'ny tsinaikely sy ny tsinaibe, manampy ny tsinay hanao ny asany indrindra amin'ny famoahana maloto... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...