Ny "AVC" dia tsy fahatomombanana tampoky ny fiasan'ny atidoha noho ny fijanonan'ny famatsiana ra ho an'ny atidoha. Ny olona rehetra dia mety ho voakasiky ny "AVC" ;  izy ity dia vokatry ny fahatsentsenan'ny lalan-dra na ihany koa mihenjana mafy loatra ny lalan-dra. Ny "AVC" dia misy karazany roa : 1-  AVC isquemique (tsentsina ny lalan-dra) ; 2- AVC hemoragique (tena tapaka ny lalan-dra), samy mamela takaitra ireo... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny tazomoka dia mbola aretina mpahazo ny olona eto Madagasikara ary maro no matiny. Ny tazomoka dia areti-mifindra azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy izay mitondra tsimok'aretina. Fambara'ny tazomoko: misy fanaviana, fiakaran'ny hafanana, mangorangorana, marary an-doho, fa ny fitiliana ihany no tena hafantarana azy. Ny fitiliana dia maimaimpoana, ny fitsaboana dia maharitra 3 andro... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny vaksiny hisorohana ny kitrotro dia atsindrona eo amin'ny sandry. Ny fahavitan'ny vaksiny, izay tolotra omen'ny Ministeran'ny fahasalam-bahoaka dia afahana miaro sy misoroka aretina miis 12 eo. Ny tetiandro fanaovana vaksiny faobe amin'ity volana oktobra ity dia faha 15-16-17-18-19 ho avy izao : kitrotro sy ny lefakozatra... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny alerzia dia tsy fahatantesan'ny vatana amin`ny akora, amin`ny ankapobeny tsy mampidi-doza ary misy eo amin`ny tontolo iainana. Ireo singa ireo, antsoina hoe "allergène", dia hita eny amin'ny rivotra, sakafo na fanafody indrindra indrindra. Misy karazany efatra amin'ny ankapobeny ny alerzia: ny alerzia amin'ny taovam-pisefoana, ny alerzia avy amin'ny sakafo, ny alerzia amin'ny hoditra ary ny alerzia noho ny kaikitry ny bibikely... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...