Ny "vitamine" dia ireo singa izay hoentin'ny sakafo voajanahary ka ilain'ny vatana mba hafahan'ny miasa tsara. Misy karazany folo (10) ny "vitamine" izay azo sokajiana roa (02) : hydrosoluble ahitana ny B1, B2, B6, B12, B, C ; ary ny liposoluble dia ahitana ny A, D, E, K. Ny antony mahatonga ny tsy fahampian'ny "vitamine" : voalohany mety ilay sakafo mihitsy no tsy misy otrikaina ; faharoa eo amin'ny fikarakarana ny sakafo no misy tsy voahaja ka manimba ny otrikaina ao anatiny ; fahatelo fahaverezan'ny otrikaina na koa tsy voarain'ny vatana hono ny aretina ; fahaefatra dia ny tsy fahafahan'ny vatana mandanjalanja ny fampiasana ny otrikaina noho ny olana ara-pahasalamana hafa.

Ny firafitry ny taolana dia ahitana : ilay taolana mafy, misy taola-malemy, misy ozatra mampifandray ary misy tsiranoka mampalefaka ny fifampikasohana amin'ny tonon-taolana. Ny "arthrose" dia fahasimban'ilay taola-malemy "cartilage", vokatry ny asa mafy na noho ny fahanterana na ihany koa faharatrana matetika. Ny faritra andairany matetika : soroka, maoja, lohalika, hatoka, tanana ary ny ankihibe. Ny salan-taona maro voakasiky ny aretina "arthrose" dia eo anelanelan'ny 35 hatramin'ny 50 taona, ny taola-malemy simba vokatr'ity aretina ity dia tsy miverina amin'ny endriny teo aloha intsony.

Ny "Branchiolite" dia aretina mpahazo ny avokavoka ary nirongatra be tao anatin'ny volana iray izay. Ny "branchiolite" dia aretin'ny taovam-pisefona mpahazo ny olona maro indrindra ny zaza latsaky ny telo taona. Ny fomba fiombony : fanafihan'ny tsimok'aretina ny fantsona na ny lalan-drivotra madinika hatao hoe " Branchiole", ka mivonto na tsentsina. Fomba fisehony : sahirana be rehefa miaina, tsentsina ny orina, mikohaka maina...

Tamin'ny faha 21 marsa teo no fanamarihana ny andro maneran-tany ho fampahafantarana ny "trisomie-21" ka ny loha-hevitra tamin'izany dia ny hoe : Mahefa izahay. Ny hoe "izahay" eto dia : ny olona manana ny toe-batana "trisomie", ny fianankaviany ary ny fiaraha-monina. Ny "trisomie" dia tsy aretina, fa toe-batana, vokatry ny fitombon'ny isan'ny "chromosome n°21". Ny fambarana : malefaka ny hozatra, malemy ny tonon-taolana, misy fahatarana ny fiasan'ny saina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...