Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay...
Ny «cyber-citoyenneté» dia fandraisan' ny olom-pirenena anjara ao anatin' ny fiainam-pirenena amin`ny alalan' ireo tambazotran-tserasera. Noho ny firoboroboan'ny teknolojian'ny torohay sy ny serasera, mipetraka amin' izao ny fandraisan' andraikitry ny olom- pirenena ao anatin' izy ireny : fizarana vaovao mari-pototra, fanehoan-kevitra voahevitra amin'ny raharaham-pirenena. Ny fahafahana manao izany anefa dia tsy afa-misaraka amin'ny fanajana ny lalàna amin'ny fandraisam-pitenenana, na anaty tambazotran-tserasera aza...
Ny foto-kevi-dehibe nandritra ny taona 2020 dia hoe: Fanavotana ny tontolo iainana ny fahaiza-miaina sy mitia amin'ny fiainana andavan'andro. Loha-hevitra telo lehibe no mamintina ny fandaharana taona 2020: Ny fanentanana mba hanavotra ny tontolo iainana, ny fifanabeazana tamin'ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, sy ny ady amin'ny herisetra...
Simba ny tontolo iaina, ndao hiray hina hanambatra ny hery hamerina ny fihavanana. hasehontsika ny fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fihetsika ataontsika isan'andro, satria i Madagasikara dia tsy LOVA navelan'ny razana ho antsika fotsiny fa indramintsika amin'ny taranaka aza, mba hirehareha ny taranaka hoe "mandova tsara"...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco