Ny fahatsarana eo amin'ny tokantrano dia toy ny mandeha ho azy, avy amin'Andriamanitra ny fahatsarana. Ny fahasarotana dia ilay tsy araka ny nandrasantsika sy tsy nampoizintsika. Sedra tsy maintsy andalovana izy ireny ka mila mifikitra amin'Andriamanitra hatrany amin'ny famahana izany. Ny fahatsarana sy ny fahasarotana dia samy mamolavola ny tsirairay hanamafy ny fifankatiavana eo anivon'ny tokantrano...

Na ny manapaka hazo aza dia tsy tokony hanadinoana ny nahary azy ka ifonana sy angatahana tso-drano, mialohan'ny fanapahana. Mila fandinihan-tena ny kristiana tsirairay ary hanova ny fomba fanaony. Any an-tsekoly dia omena fahazarana vaovao ny mpianatra mba hifampizarany amin'ny ray aman-dreniny. Ny tanora dia havondrona anaty fikambanana mba hanamorana ny fampitana fanabeazana.

Fantaro fa tsara noho ny volamena ny fahasalamana aman-toe-tena tsara. Aleo vatana mavitrika toy izay harena tsy hita lany (Ekles 30, 15b). Mila mahay mandanjalanja ny fiatraikan'ny zavatra atao amin'ny fahasalamana.

Voaantson'Andriamanitra hanohy ny fihariana ny mpivady. Adidy masina anatin'izany ny fanabezana ireo taranaka. Araka ny soatoavina hampitain'ny fiangonana : "zaro amin'ny làlana tokony halehany ny zaza.".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...