Ny tsirairay no tompon'andraikitra voalohany hiaro ny fahasalamany vao ny hafa. Ny fifampizarana androany dia natao ho fampahafantarana sy fanampiana ny vehivavy hiaro ny tenany amin'ny aretina. Misy ny soatoavina kristiana tokony hiainana ka ny fivadihana amin'izany eo amin'ny lehilahy na vehivavy, na zatovo, na tanora, na lehibe dia miafara amin'ny tsy fahasalamana na ho ela na ho haingana ary mety miafara amin'ny fahafatesana ara-batana sy ara-tsaina na ara-panahy mihitsy...
Ny fampitana ny fanabeazana am-pitiavana no antoky ny fahombiazana. Eo anivon'ny fianakaviana no ianarana sy iainana voalohany ny fitiavana. Mitondra hafaliana sy zavatra miabo mandrakariva ny fitiavana.
Mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny vehivavy, amin'ny andraikitra raisiny eo anivon'ny tokantrano, fiaraha-monina, fiangonana. Ilaina ny fahazotoana sy ny finiavana ao anatin'izany. Ho fitantanana izany anefa dia ilaina ny fifampiresahana eo anivon'ny tokantrano, manoloana ireo andraikitra marobe raisina ireo.
Ny fanabeazana fototra maha-olona feno ny tanora no antoky ny taranaka sambatra. Ilaina ny fifampiresahana sy fizarana ny soatoavina mba hananany herim-po afa-manohitra ireo sakana manohintohina ny fivelarany, ary koa hananany toe-tsaina mandanjalanja ho amin'ny tsara.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco