Nisedra olana mafimafy indray ny mpamokatra ronono nandritra ny fikatonan'ny faritra samihafa tamin'ity taona ity noho ny fampiharana ny fepetra tsy iparitahan'ny valan'aretina. Manomboka mivaha kosa izany amin'izao fotoana isokafan'ny faritra izao... 

Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

Ao anatin'ny fihotazana lavanila ny faritra sasany mpamokatra izany amin'izao fotoana izao. Nampanarahana amin'ny teknikam-pambolena ny daty fihotazana lavanila eto Madagasikara... 

Sambany isika teto Madagasikara no nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tantely tamin'ity taona ity. Manan-danja lehibe amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny famokarana ny tantely... 

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...