Voalohan'ny volana jona, andro eran-tany ho an'ny ronono. Andro anentanana ny olona rehetra mba hisotro sy hihinana na hanjifa ny vokatra avy amin'ny ronono. Nanomboka tamin'ny taona 2001 no nivohy azy io ny Sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny Fambolena na ny FAO fa ny taona 2017 isika teto Madagasikara vao nanomboka nankalaza azy voalohany noho fitarihana nataon'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB sy ny ministera nisahana ny fiompiana tamin'izany fotoana izany ary dia notohizana taty aoriana...
Manohy ny dingana fampanaraham-penitra an'ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao aminy ny tambazotran'ny Mpampiofana momba ny Fambolena sy ny eny Ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Manampy an'ireo ivon-toeram-panofanana, ny mpampiofana, ireo tantsaha mpanao tolo-draharaha momba ny fanofanana ahafahan'izy ireo misitraka ny taratasy manamarina izay fananàny traik'efa izay amin'ny alalan'ny firosoana amin'ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny VAE ity rafitra ity ankehitriny.
Niadian-kevitra ny 04 mey 2023 teo teny amin'ny foiben-toeren'ny Foibe Fikarohana ampiharina amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra na ny FOFIFA eny Ampandrianomby ny vokatry ny fandalinana ny momba ny masomboly katsaka, tsaramaso, mangahazo, ary ny ovy amin'ireo Faritra telo nanaovana ny fanadihadiana dia ny teto Analamanga, Itasy ary Vakinakaratra.
Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco