Alakamisy 17 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 6, 7-15

Rehefa tafahoatra ny fihatsarambelatsihy sy ny fomba amam-panao tsy voahevitra dia misavoritaka ny mpianakavy. Iretsy voalaza etsy aloha dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara amin'ny fifandraisana ara-pianakaviana, tahaka ny zavatra rehetra ihany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

Ny fihatsarambelatsihy dia endriky ny fihavanana ihany koa. Mitranga ny fiatsarambelatsihy rehefa maharitra ny fifaneraserana, rehefa tsy te hifampizara soa. Ny fifosafosàna dia mbola endriky ny fihavanana ihany koa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...