Alahady 4 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33
03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.
Sabotsy 3 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5
Mampirisika ny tanora tsy ho kivy amin'ny fiainana i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. "Fenoy an'i Jesoa Kristy ny fiainana, n'inona mitranga. Halalino ny finoana, ary aoka tsy hatahotra ny amin'ny maha-kristianina katolika", hoy izy, tamin'ireo tanora nandray anjara tamin'ny JMJ Mada andiany faha-10. Nanentana ireo tanora izy mba hijoro amin'ny maha-izy azy sy ho mendrika hitokisana. Katesizy nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ny 01 septambra 2022, JMJ Mada X, Antsirabe.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco