Alahady 4 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka be nanaraka an’i Jesoa, ary nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: "Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mendrika ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay holanîny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia; sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy, ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona’. Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy, na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy hahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...