12 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)
Ny ranomasina da famantarana ny ratsy, anefa tamin'io tontolo io ny mpianatr'i Jesoa no nantsoiny ho mpanarato olona. Ny asan'ny mpanarato dia asa mila finiavana satria manasatra ary mitaky faharetana ihany koa, izany hoe ilàna herin-tsaina sy herim-po. Ny hevitry ny manarato eto dia manala ny olombelona eo amin'ny haizin'izao tontolo izao ho any amin'ny fahazavana lehibe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
11 aogositra 2023 — Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Ny asa dia manambara ny maha-izy ny tena. Maro ny olona no mihevitra fa izay mahazo vola betsaka amin'ny tambin'ny asa no ambony. Ny asa mendrika dia izay rehetra mampivelatra ny maha-olona. Araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ; rehefa niantso ny mpianany i Jesoa dia niova ny asa fanaon'ireo voaantso ary lasa mpanarato olona izy rehetra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco