11 aogositra 2023 — Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)

Ny Evanjely anio dia fanamafisana indray izay efa nolazain'i Jesoa tany amin’ny toko fahafolo mba hanalan’ny mpianatra ao an-tsainy ny fiheverana fa misy lalan-kafa azony hizorana ankoatra izay efa nizoran'i Kristy, dia ny fanenjehana na mety ho famonoana mihitsy aza no hiafarana. Izay te hanara-dia an'i Kristy araka izany dia tsy maintsy handà ny tenany. Ny mandà moa eto dia milaza ho tsy mahafantatra, toy ny fandavan’i Piera (Mt 26,34). Ka izay mandà tena noho izany dia tsy hihevitra akory ny hiaro tena ary mazava loatra tsy hikaroka akory ny tombontsoany fa ny an'i Kristy irery ihany.

Tsy afaka ny hanaraka azy koa izay tsy mitondra ny hazofijaliana, izay fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely ka hitia hatramin’ny farany na ho mora na ho sarotra.Ny mandray ny lakroa koa dia manaiky ho mpanompon’ny hafa tahaka ilay naka ny fomban’ny mpanompo, nilatsa-tena ho ambany (Fil 2, 7-8). Izay hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy (And 25). Izay hamonjy ny ainy dia hahavery azy satria fanomezana ny aina ka izay tsy ampiasaintsika amin’ny antony nanomezana azy antsika dia ankevitry ny nariantsika ihany.

Ny fanekena hizaka ny Hazofijaliana amin’ny fandaniana ny aina araka ny Evanjely sy ho an’ny Evanjely araka izany no maha mendrika ho mpiantr'i Kristy. Izany dia mitaky fanekena izay mety ho fanambaniana sy ho fahafaham-baraka eo anatrehan’ny olona mba hanaporofoana fa tia. Ny ahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo dia noho ianareo mifankatia (Jo 13, 35). Inona moa no soa azon’ny olona raha very ny fanahiny? An’Andriamanitra ny fahefana, mamaly ny olona araka ny asany avy izy hoy ny Salamo faha-62, 13; izay mihaino ka mitandrina ny teny dia miditra amin’ny fiainana ka tsy hanadrana fahafatesana intsony satria efa miafina ao amin’ Andriamanitra mandrakizay ny fiainany.(Rm 6, 4)

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...