Ny toetra mamaritra ny asa an-terivozona dia tsy manana fahafahana ny olona manao ny asa, tsy afaka manampan-kevitra, tsy afaka mamorina, ary ny habetsahan'ny zavatra vita no mibahana fa tsy ny hatsaran'ny asa vita. Ny asa ny vahoaka afaka dia fanompoana an'Andriamanitra, asa maimaimpoana, asa vokatry ny famoronana araka ny heviny sy ny fandinihany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
6 aogositra 2023 — Ny Niovan'ny Tompo tarehy — Fety — Taona A — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)
Ny fahafahana mamorona dia fanompoana an'Andriamanitra. Ny olombelona dia nomen'Andriamanitra saina sy fahalalana ka ireo no entina manao zavatra tsara sy mahaliana, izany hoe manana toe-tsaina mamorina. Ny fibanjinan'ny olona ny asan'ny tsirairay dia mampitodika ny olona iray amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
5 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco