Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
♦ Nandefa hafatra ho fiombonam-po amin'ireo traboina noho ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mankasitraka ny herim-po ananan'ireo vehivavy relijiozy sy manokan-tena ny Papa François... ♦ Nanatanteraka zaikabe rezionaly ny Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa ao Toamasina...
Alahady 6 febroary 2022 — Alahady fahadimy mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11
♦ Notanterahana ny sabotsy 29 janoary teo ny atrik'asa fanomanana ny JMJ Mada-10, hotanterahana any Antsirabe... ♦ Ny 28 hatramin'ny 30 janoary 2022 ny Antenimieran'ny Vovonan'ny Diosezy Katolikan'ny Tanora tao Ambanja... ♦ Notsofin-drano sy napetraka tamin'ny 29 janoary teo ny vatofototry ny Centre Communautaire, ao amin'ny Paroasy Notre-Dame du Rosaire Feterezana Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco