Alarobia 2 febroary 2022 — Ny nanolorana ny Tompo — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40
♦ Mampitandrina ny mponina amin'ny faritra rehetra izay mety handalovan'ny rivodoza Batsirai, ny BNGRC, fa hahery vaika ity rivodoza ity ka mety hitondra takaitra betsaka, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Olona 500 no nisantarana ny fizarana Vatsy Tsinjo, tany Toamasina androany. Maniry mafy ny mba hanomezana fanampiana azy ireo ihany koa ireo olona marefo sy manana fahasembanana, any an-toerana... ♦ Miroso hatrany ny fanomanana ny JMJ Mada faha-10, izay hotanterahana any Antsirabe...
Ny maha izy antsika tsirairay, ny isam-pianakaviana, ny seham-pikatrohana dia toerana handinihina sy hiainana ny antson'Andriamanitra. Ny asa sy ny andraikitra misy antsika dia efa sehatra halalana ny antso. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alahady 30 janoary 2022 — Alahady fahefatra mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 21-30
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco