Alahady 6 febroary 2022 — Alahady fahadimy mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11

Ry kristianina havana, manoloana an’Andriamanitra isika dia bitika, tsinontsinona, osa, mpanota kanefa tsy mahasakana an’Andriamanitra hihaona amintsika sy hiantso antsika handray anjara amin’ny fanatontosana ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Masina sy lehibe lavitra Andriamanitra miohatra antsika olombelona, tsapan’ireto vahoaka marobe izay nifanaretsaka nanatona an’i Jesoa izany ka nidododo nandeha hihaino ny fampianaran’i Jesoa. Hatramin’i Simona dia nahatsapa izany fahamasinana izany tamin’i Jesoa ka nilaza taminy hoe : "Miala amiko, Tompoko, fa mpanota aho".

Na eo izany fahamboniana sy fahalavorariana ary fahefana tsy misy fetra eo amin’Andriamanitra izany dia izy no manao dingana voalohany amin’ny fanatonana antsika amin’ny fitiavany hiara- miasa amintsika. Nangataka ny sambokelin’i Simona i Jesoa, mba hisitaka kely teo amoron’ny farihy mba ho afaka hampita sy hampianatra tsara ny tenin’Andriamanitra Izy. Nindrana ity sambokely izay fitaovana nampiasain’ny tompony kanefa tsy nahitana fahombiazana teo amin’ny asa fanaratoana. Tandindona sahady ny fanirahana manokana an’i Simona, ho Piera, ho filohan’ny Eglizy. Nisy sambokely roa teo fa ny an’i Simona no nofidin’i Jesoa. Ilay sambokely, tandindon’ny Eglizy, ho famantarana hita maso amin’ny fampianarana marina, amin’ny famonjena raha sendra loza mitatao toy ny tondra-drano ka ho Reny hikolokolo izay mitady famonjena manatona Azy.

Ny fisitahana na elanelana nisy teo amin’ny vahoaka sy ny sambokely dia fotoana ahafahana mandinika tsara na ho tezitra ka tsy hanam-paharetana ka lasa tsy hijanona hiaino an’i Jesoa na manam-paharetana miaritra ka hiandry amin’ny fandaminana rehetra. Ilaintsika ny fotoana hananantsika fahafahana mba hanehoantsika ny ao anaty ka hiroso amim-pitiavana fa tsy an-tery. Mandritra ny fihatahan’ny sambo dia fotoana niasan’ireo teo akaiky an’i Jesoa : nandray andraikitra amin’ny fandaminana ireo vahoaka marobe. Ireto ilay ho mpanelanelana an’i Jesoa, ho mpitondra ny teniny. Ireo ilay antsoiny izay samy manana ny fihetseham-pony fa kosa miandry ny fankaherezana ho hery hanatontosana ny asa fanirahana. Hoy i Simona : "noho ny teninao dia alatsako ihany ny harato".

Ry kristianina havana, Izy Andriamanitra no miantso, ary Izy koa no manome ny fahasoavana ilaina rehetra hanatontosana azy. Aza matahotra àry amin’ny iraka iantsoan’Andriamanitra antsika tsirairay avy. Meteza manaiky hohelingelenin’Andriamanitra. Meteza manaiky hataony fitaovana. Matokisa, minoa azy ary aza mijanona ho mpihaino fotsiny fa ho mpanatanteraka mihitsy izay lazainy. Jerentsika ity fahagagan’i Simona rahefa nahita fa tsy zaka nosintonina ny harato fa feno hazandrano, noho ny fanatanterahana ny tenin’i Jesoa. Tandindona sahady izany ilay hamaroan’ny kristianina tsy tambo isaina aty aoriana.

Ry kristianina havana, miatrika rivo-doza mahery vaika ny nosintsika, eny hatramin’ny sambo dia atopatopan’ny ranomasina. Tsy misy azo ianteherana raha manoloana ny tanjaky ny rivo-doza, efa nisedra tebiteby toy izany koa ireo mpianany fa matokisa fa miaraka amintsika ny Tompo. Amen

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...