Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: "Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano." Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: "Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato." Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy: dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: "Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho." Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: "Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao." Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.