Ny hoe "velon-dray aman-dreny" dia ireo manana ray sy reny, samy mbola velona na misara-toerana aza. Ara-tantara dia hatramin'ny nanjakan'Andriamanelo, nandalo tamin'ny fitondran'Andriamasinavalona ary hatramin'ny nanjakan'Andrianampoinimerina, no nisy sy nanana ny lanjany ary ny voninahiny ombana hasina ny "velon-dray aman-dreny"...
Toa tsy mifanaraka amin'ny anarana entiny hoe "kristiana" intsony ny zava-misy ankehitriny ; maika ery ny olona te ho tonga kristiana fa malaina ny hiaina azy avy eo. Hita izany amin'ireo mangataka hiroso handray ny sakramentan'ny Batemy. Maro ireo miaina ny afobe satria efa miandry azy any an-tranony na eny amin'ny fiaraha-monina ny olana maro : ady lova, fifampiandaniana, fialonana, fankahalana, fahantrana. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Nanomboka tamin'ny volana janoary teo ny fisoratana anarana ho an'ireo ankizy rehetra izay hiatrika ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany faha-3, hotanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Ny 18 sy 19 febroary 2023 no hotanterahana, ny fihaonamben'ny Filankevitra amin'ny Fitondrana ny Vahoak'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana tamin'ny fivahinianana iraisam-pinoana tao amin'ny Mausolée John-Garang, Soudan Atsimo, ny Fitsidihana Apôstôlika faha-40, nataon'ny Papa François...
Marihina etoana fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 dia nihamafy ny fifandonan-kevitra teo amin’ny Eglizy Tandrefana sy Tatsinana, ka ny tena zava-nanahirana dia ny tanjak’ireo mpanao politika, izay samy nanindrahindra ny heriny sy ny tanjany. Koa dia voatery niala sy nisintaka miandalana teo ambany vahohon’ireo Mpanjaka sy Amperora ny Eglizy, ary niezaka nizaka tena, sady nandray fepetra maro ho fanamelohana izay rehetra mivoy fampianaran-diso, na iza izy na iza.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco