♦ Nanomboka tamin'ny volana janoary teo ny fisoratana anarana ho an'ireo ankizy rehetra izay hiatrika ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany faha-3, hotanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Ny 18 sy 19 febroary 2023 no hotanterahana, ny fihaonamben'ny Filankevitra amin'ny Fitondrana ny Vahoak'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana tamin'ny fivahinianana iraisam-pinoana tao amin'ny Mausolée John-Garang, Soudan Atsimo, ny Fitsidihana Apôstôlika faha-40, nataon'ny Papa François...

[audio src="/images/sounds/mdl-20230206.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...