Marihina etoana fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 dia nihamafy ny fifandonan-kevitra teo amin’ny Eglizy Tandrefana sy Tatsinana, ka ny tena zava-nanahirana dia ny tanjak’ireo mpanao politika, izay samy nanindrahindra ny heriny sy ny tanjany. Koa dia voatery niala sy nisintaka miandalana teo ambany vahohon’ireo Mpanjaka sy Amperora ny Eglizy, ary niezaka nizaka tena, sady nandray fepetra maro ho fanamelohana izay rehetra mivoy fampianaran-diso, na iza izy na iza.
Ny taona 1054 no azo lazaina fa fotoana lehibe nipoiran’ny fisaraham-bazana tanteraka, teo amin’ny Tandrefana sy Tatsinana, izay nivitrana ampahany ihany taty aoriana kely. Koa rariny sy hitsiny ny hilazàna fa ankoatra ny Sinoda sy ny Konsily isam-paritra dia teo ihany koa ireo Konsily Ekomenika izay niezaka nandrindra sy nandravona disadisa maro. Koa arak’izany àry dia manana ny lanjany tokoa ireo Konsily nifandimby hatrany am-piandohana.
Ilaina arak’izany ny mandinika sy mieritreritra lalina ny zava-misy iainana ankehitriny, indrindra manoloana ireo vakivakim-piangonana na fiangonana tafasaraka miparitaka etsy sy eroa. Moa tsy firehan-kevitra ve no mivoy ny an-kamaroan’izy ireny? Moa tena finoana ve no manosika ny olona sasany hirohotra any amin’ny sehatra ikatrohan’izy ireny? Ny marina anefa dia ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ao anaty fiombonana, sady mikendry ny soa iombonana, no tokony hanentana sy hanosika antsika ho mpino sy kristianina, fa tsy ny zavatra hafa, na ny tombotsoa samirery akory, sanatria.