Alahady 3 oktobra 2021 — Alahady fahafito amby roapolo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 2-16
Ny aretin'ny nofon'ny fo dia fahatsentsenan'ny lalan-dra, izay mamelona ny fo, ary mahalo ny nofo mandrafitra ny fo. Isan'ny antony mahatonga ny aratin'ny nofon'ny fo ny fahasimbana na fahatsentsenan'ny lalan-dra noho fikorontanan'ny "cholesterol". Amin'ireo tratry ny aretin'ny nofon'ny fo dia lehilahy ny 60%. Manafaigana ny ahazoana io aretina io ny fifohana sigara, fisotroana toaka, tsy ampy fihetseham-batana, mitaitaindava, ny tosi-dra. Fambara : marary ny faritra ambadiky ny ivon'ny taolan-tratra...
♦ Hosantarina ao amin'ny Distrika Befeta amin'ny 3 oktobra 2021 ny fankalazana ny faha-150 taona nitoriana ny finoana tao Fianarantsoa... ♦ Hosokafana ampahibemaso ny 3 oktobra 2021 ny Sinaody faha-7 ny Arsidiosezin'Antsiranana... ♦ Hotanterahina ao Roma ny 22 hatramin'ny 26 jona 2022 ny fihaonam-be faha-10 ho an'ny fianakaviana...
Mihamahazo laka amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny famokarana biolojika. Maro ny tantsha efa misehatra amin'izany. Tantsaha iray Andriamatoa Ranaivoson Fleuris avy eto amin'ny Faritra Analamanga no nahazo tombontsoa amin'izay famokarana biolojika izay, dia ny famokarana tsy mampiasa taharo simika.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco