Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy izy: "Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy". Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona". Nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga".

Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: "Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any". Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...