Alahady 3 oktobra 2021 — Alahady fahafito amby roapolo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 2-16

Misy fitenenana malagasy izay manao hoe: "toy ny ladim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany". Dia mirakitra an’izany indrindra ny fotokevi-dehibe aroson’ny Fiangonana hivelomana amin' izao Alahady izao sy hamakivakiana ny herinandro. Ny vakiteny masina telo amin'izao alahady izao dia samy mitanisa izany ka hamaliantsika hoe : Ahoana no ilazana fa fianakaviana iray ny olombelona ?

Voalohany. Andriamanitra ihany no mpahary Azy hoy ny Vakiteny Masina voalohany ; izany hoe singan’olona iray (Lehilahy) sy singan’olona iray (Vehivavy) no notsofin’Andriamanitra rano mba hanome taranaka. Raha tsorina dia hoe Andriamanitra no nahary sy nanorina ka ny tsodranony no nandrafetany azy.

Faharoa. Fototra iray no niaviantsika hoy ny Vakiteny Masina faharoa ; izany hoe Andriamanitra no loharano nipoirana. Nataon’Andriamanitra ho finakaviana iray isika, tamin'ny alalan’ny Batemy no naha mpiray tampo, nampihavana ary nampifampirantsam-batana antsika. Lasa mpiray tampo tokoa isika ao amin'i Kristy, ka zokintsika Izy ary mpiray lova Aminy isika.

Fahatelo. Ambaran’ny Vaovao Mahafaly androany fa tena fandaharan’Andriamanitra hatrany am-piandohana ny fanambadiana, izay fototra iorenan’ny fianakaviana. Tian’i Jesoa iainan’ny mpivady ny mahatokana tsy azo ravana azy sy ny hiaina ny fitiavana sy ny fifanekena mandrakizay sady mandrapahafaty.

Ry Havana, maro ankehitriny ny mpivady misaraka noho ny antony maro samihafa ka ny zanaka tsy manan-tsiny matetika no mizaka ny voka-dratsin’izany. Tsapa fa voahosihosy ny hasin’ny maha fianakaviana ka mila miorim-paka ao amin'Andriamanitra.

Zanahary Tomponay ô, Ianao no mitantana anay e, n’aiza n’aiza tany aleha, feno toky miaraka Aminao. Tompo ô, henoy izahay, mba ekeo ny vavakay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...