.../… Hisokatra indray ny varavaran-tsekoly. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny taom-pianarana 2026 – 2027 eto Madagasikara, araka ny tetiandro ofisialy efa navoakan'ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ao ireo sekoly efa misantatra ny taom-pianarana vaovao anio Alatsinainy 07 septambra, fa ao ihany koa ny rahampitso na ny Alarobia izao. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hiato kely indray izao roa volana voalohany izao, raha tsy ny 30 ôktôbra, arahan'ny fialan-tsasatry ny "Toussaints".
Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...
Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco