Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondran-tena ary ny fahalalam-pomba dia taratry ny fivoaram-piainana ho amin'ny tsara kokoa. Rehefa tsy te handray ny fanabeazana homena azy ny ankizy dia mety ho tojo lalana sarotra, ohatra amin'ireny ny fiainana ara-pitiavana iainan'ny mpianatra, tanora. Ny vehivavy mitoetra irery, mahaleo tena dia misy fiatraikany ara-panabeazana ny zanaka ary mahakasika ny fivoaram-piainana izany... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina vao nisy ity lahabolana ity, fanao amin'ny mpanjaka. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika...
"Manaova izao ho fahatsiarovana ahy" hoy i Jesoa namintina ny Fanasana nanokanany ny Eokaristia ho Sakramenta noforoniny tamin'ny Alakamisy-Masina. Namerina io teny io Jesoa ho fahatsiarovana ny Paka tamin'ny nanorina io Eokaristia io dia tsy midika hoe manokana ho an'ireo mpianany izany fa fanomezana ho azy ireo avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia no manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
--- Fako misavovona etsy sy eroa. Loto manerana ny tanàna. Toa lasa tandra vadin-koditra ho an’ny renivohitr’i Madagasikara rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao ny fivangongoan’ny fako sy ny fiparitahan’ny loto manerana ny tanàna. Miha mafy ary mampiteny ny moana ny loto sy ny fofona ratsy. Miteraka fimenomenomana hoan’ny olom-pirenena izany, saingy toa efa homamiadana mikiky ny taolan’andavan’androm-piainan’ny mponina, ka toa
tsy ahitam-bahaolana mihitsy, na koa sanatria misy mahazo tombotsoa amin’izany ka atao mihitsy izay tsy hahavaha ny olana ?...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco