♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
♦ Olana hafa niainan'ireo mpikarakara taratasy amin'ny firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ny fahatapahan-jiro teny anivon'ny biraom-panjakana. Voatery miverina amin'ny andro hafa ireo tsy mahandry ny fiverenan'ny jiro... ♦ Misy ny kolikoly eo anivon'ny orinasa JIRAMA, manoloana ny fividianana fitaovana fampidiran-drano, raha ny tatitra voarain'ny mpirao ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Hotanterahana amin'ny sabotsy izao ny fandevenana an'i Pr Serge Henri Rodin, izao nodimandry teo amin'ny faha-75 taonany...
Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanambara androany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa noho ny taratasy fanomezan-toky ny handoavany ireo hetra mbola tsy voaloany, nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2023, no nahafahany nirotsaka ho kandidà Filoham-pirenena farany teo... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga ny fanakanana an'Andriamatoa Marc Ravalomanana ho kandidà Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra, hoy ny depiote, Siteny Andrianasoloniaiko...
Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco