Nampikaikaika ny maro ny tsy fisian’ny orana nandritra ny volana maromaro. Nandrasana nandritra ny volana novambra, desambra, fa tsy nisy na dia herikerika kely aza. Maina ny tany, nilaharana ireny toeram-pantsakana ireny, nampitaraina sy nampijaly ny mponina ny filaharana rano hatramin’ny roa ora maraina, nikatso ny fambolena, taraiky ny fotoam-panetsana. Nigadona ny janoary. Indro fa tonga ilay nandrasana hatry ny ela. Vao indray nirotsaka nandritra ny ora vitsy anefa ny orana ho an’ny tao andrenivohitra, dia dibo-drano avokoa izay rehetra naleha.
03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.
Ny asa dia zava-dehibe satria natao hanompoana ny namana sy ny Tompo. Rehefa ny asa no tsy misy dia miha mahantra sy noana ny vahoaka. Entanina ny tsirairay mba handeha hiasa sy hikarakara ny tranobe iombonana. Mahavara manamarina ny zavatra tavela any ivelan'ny trano mba tsy handrian'ny fanahy ratsy. Mifalia amin'ny fahombiazan'ny namana, mba ho hisokafany aminao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
2 marsa 2025 — Alahady Tsotra fahavalo Mandavantaona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-45)
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco