Manana ny mampiavaka azy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny famokarana saonjo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe ato amin’ny Faritra Analamanga, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana. Velon-taraina nefa ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ity distrika ity fa nidina ambany tsy araka ny niheverana azy ny vidiny taorian’ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika tamin’ity taona ity.

Nanomboka tany amin’ny 5.000 Ariary ny iray kilao ny volana janoary; tafidina hatrany amin’ny 1.500 Ariary ny volana avrily teo. Manana ny anjara toerana amin’ny fanondranana aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana nefa ny saonjo vokatra ao Ankazobe, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana…

Manana vokatra betsaka sy tsara kalitao ity kaominina ity ary azo ambara ho mpamokatra saonjo betsaka indrindra eto Madagasikara, mamatsy ny tsenan’Anosibe alohan’ny Kaominina Imeritsiatosika Distrikan’Arivonimamo. Manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena ao amin’ny kaominina ny saonjo. Efa miondrana any Mayotte sy Comores hoy ny Ben’ny Tanànan’i Fihaonana, Andrisoa Radaoroson.

Nanatombo ny famokarana ny tantsaha noho ny fidinan’ny vidim-bary nanomboka ny faran’ny taona. Nitombo hatrany amin’ny avo dimy heny hatramin’ny enina heny ny saonjo vokatra, saingy tsy nitsaha-nitontongana ny vidiny tamin’ity taona ity.

Ankohatra ny lalan’ny tolotra sy ny tinady, antony iray nahatonga izany fidinana izany ny fandalovan’ny rivodoza, hoy ny Ben’ny Tanànan’i Fihaonana Andrisoa Radaoroson.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...