Manana ny mampiavaka azy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny famokarana saonjo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe ato amin’ny Faritra Analamanga, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana. Velon-taraina nefa ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ity distrika ity fa nidina ambany tsy araka ny niheverana azy ny vidiny taorian’ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika tamin’ity taona ity.

Mandalo ny fiainana "olom-banona" vao afaka miaina ny maha "olom-pirenena", manana adidy sy andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...