Manana ny mampiavaka azy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny famokarana saonjo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe ato amin’ny Faritra Analamanga, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana. Velon-taraina nefa ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ity distrika ity fa nidina ambany tsy araka ny niheverana azy ny vidiny taorian’ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika tamin’ity taona ity.
♦ Tsy ho sakana intsony amin'ny fampandrosoana ny kolikoly sy ny tsimatimanota, amin'ny fisian'ny paik'adim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly, hoy ny filoha vaovaon'ny CSI, omaly... ♦ Hasiam-panarenana ny toby famatsian-dranon'i Mandroseza. Hisy ny tetik'asa momba izany, hampahafantarina mandritra ny Herinandrom-pirenena momba ny rano, hoy ny Ministra mpiahy... ♦ Tsara ny vokatra azon'ny Makis Lehilehy eo amin'ny "Rugby à 7" tamin'ilay fifaninana "World Cup Challenger Series" tany Pologne. Nigadona an-tanindrazana ireo mpilalao, notsenaina tamin'ny fomba miavaka, omaly tolak'andro...
Mandalo ny fiainana "olom-banona" vao afaka miaina ny maha "olom-pirenena", manana adidy sy andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco